Rugby – Amboaran’i Madagasikara : vonona handresy ny Cosfa ny Uscar

Lalao handrasan’ny rehetra, ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara taranja rugby, amin’izao faran’ny herinandro izao. Hiady izany, ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar. Vonona handresy ny miaramila ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Fanamby goavana ho an’ny ekipan’ny kaomi­nina Antananarivo renivohitra ny Uscar, ny hibata ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby ny alahady ho avy izao. Fihaonana hatao eny amin’ny kianja Makis Ando­hatapenaka ary hikatrohany amin’ny Cosfa. Nambaran-dRazafindratsimba Soloniaina Anthony, kapitenin’ny klioba fa vonona ary manana hambom-po haka ny fandresena ny Uscar. «Ekena fa matan­jaka ny miaramila any anaty «trois quart» fa miady tsara aminay kosa ry zareo ao anaty «avant». Efa niomana nandritra ny herinandro ka 60% ho anay ary 40% ny an’ny cosfa, raha ny herijika handresena, amin’io lalao io», hoy izy. Salama tsara avokoa ireo mpilalao ary fantatra fa misy mpilalao vaovao efa tao amin’ny Uscar ihany hiakatra kianja, rahampitso alahady. Tsy nanafina i Soloniaina Anthony, fa nisy ny havizanana noho ireo lalao nisesisesy saingy noraisin-dry zalahy, ho hery sy tanjaka, izany.
Nanamafy Randriamanan­tena Benjamin, sekretera jeneraly fa 100% ny fiomanan’ ny Uscar, ary vonona tanteraka izy ireo satria lalao efa nandrasany ela ity famaranana ity. «Hatramin’izay ka hatramin’ izao, tsy niala tato aho. Fitia­vako ny ekipa izany. Anisan’ny maha sarotiny ahy, ny fitsipi-pifehezana satria izany no antoky ny fahombiazana.
Eto dia misaotra ny ben’ny Tanàna, i Naina Andriantsi­tohaina sy ny filoha mpitan­tana aho, nanome malalaka ny kianja hanaovana fanazaran-tena ary nanohana hatrany ny Uscar. Fanambinay, ny hitondra ny amboara mody ao amin’ny Lapan’ny tanàna», hoy izy.
Manentana ny mpanohana i Soloniaina Anthony, ho tonga maro hanohana ny ekipan’ny Uscar, amin’ity famaranana ity.

Torcelin

Partager sur: