Notanterahina, omaly, tany Zimbabwe Harare, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Cosafa School U-15”, taranja baolina kitra. Nomontsanin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa mavesatra 8 no ho 0 ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy vehivavy. Nanao ady sahala 0 no ho 0 ny sokajy lehilahy.
Miisa enina ireo klioba frantsay mbola manohy ny fifaninanana eoropeanina amin’ity taom-pilalaovana 2023-2024 ity. Anisan’izany ny PSG (1/8 Ligue des Champions), ny RC Lens sy ny OM ary Rennes, Toulouse (Europa League), Losc Lille (1/8 Conference League). Marihina fa manana fanamby goavana ny hibata ny amboaran’i Eoropa ireo klioba frantsay.
Hotanterahina anio, eny amin’ny Akademia Nasionaly ny Spaoro (ANS) Ampefiloha, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny lomano, hitondra mandritra ny 4 taona manaraka. Mbola tsy fantatra mazava hatramin’ny omaly izay nirotsaka ary tsy mbola naneho ny heviny ihany koa ny filohan’ny FMN teo aloha.
Hikarakara fifaninanana, taranja Judo, miaraka ny klioba 4, ny Wisdom Judo, Excelsior Budo, Do Judo ary Hakudokan. Fifaninanana antsoina hoe “Judo Noël Interclubs 2023”, hatao ny sabotsy 23 desambra izao, ao amin’ny Akademia Nasionaly ny Spaoro (ANS) Ampefiloha. Sokajy poussins, benjamins ary minimes, lahy sy vavy no hifaninanana.