Mitohy ny hiragasy etsy Ampefiloha. Hiakatra kianja indray, rahampitso alahady 17 desambra, ry Sahondrafinina Zanany, hifanandrina amin-dry Samuelson Andohavary. Ady hiragasy toy ny efa mahazatra ao amin’ny kianja, manomboka amin’ny 10 ora maraina ka manariva andro. Hiady ny lalao raha ny lazan’ireto tropy roa izay hifandona ireto. Tsy misy vidim-pidirana fa rakitra toy ny mahazatra ihany.
Bandy Baraka Big Band any Antsirabe. Orikesitra goavana iray, ivondronan’ireo mpiangaly ny zavamaneno tsofina, tarihin’i Seta Ramaroson izy ity. Hilalao any Antsirabe, manoloana ny Tranompokonolona izy ireo anio, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ny Alliance Française any an-toerana no manafatra ny Bandy Baraka Big Band, fa hahitan’ny mponin’Antsirabe izany seho miavaka izany.
Anim’Ato Mada. Nifarana omaly, tany Antsanitia Mahajanga, ny fiofanana momba ny fanatontosana horonantsary fanentanana. Mpisehatra eo amin’ny sarimihetsika, vao misandratra, miisa 10, avy amin’ny firenena afrikanina maro no nandray anjara tamin’izany. Tanjona amin’izao ny fampiroboroboana ny sarimihetsika eto Afrika.
Plum’art. Tontosa, omaly, teny amin’ny AFT Andavamamba, ny atrikasa fanamboarana haingo noely. Raha tsiahivina, hetsika tafiditra ao anatin’ny fampirantiana “Biopic”, karakarain’ny fikambanana Plum’art, ivondronan’ireo tanora mpanakanto.