Tetikasa Produir : miisa 203 ny fotodrafitrasa hatsangana

Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly 15 desambra, ny andiany faharoa amin’ny asa ao anatin’ny tetikasa fampiroboroboana ny tanàn-dehibe (Produir), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fa­najariana ny tany sy ny fananan-tany (MATSF). Nano­mbo­hana azy teny amin’ny kaominina Andranonahoatra, Ano­sizato Andrefana ary Bema­soandro Itaosy.
Tafiditra ao anatin’ny singa ho tanterahin’ny Produir ny fanatsarana ny faritra marefo. Miisa 203 ny fotodrafitrasa hatsangana amin’ny taona 2024, hoezahina hovitaina ao anatin’ny enim-bolana. Nilaza ny minisitry ny Fanajariana ny tany, Ramaholimasy Holder, fa efa maherin’ny 600 ny fotodrafitrasa vita hatramin’izao.

Hisitraka an’ity asa dingana faharoa ity ireo kaominina voatanisa etsy ambony, miampy ny boriboritany I sy IV. Manodidina ny 400.000 ny mponina hisitraka azy. Nam­baran’ny ben’ny Tanàna Anosizato Andrefana, Andria­mbo­lolona Laurence, fa hanala fahasahiranan’ny vahoaka ny fanamboarana ny lalankely, satria tena mijaly izy ireo rehefa avy ny orana. « Faly izahay tamin’ny fahavitan’ny fefiloha izay efa tena antitra sy simba. Vonona hiara-kiasa amin’ny fanjakana izahay », hoy ny ben’ny Tanàna Bema­soandro Itaosy, Rabefakatro Alphonse. Miisa 206 ny fotodrafitrasa natsangana na narenina tamin’ny andiany voalohany.

Njaka A.

Partager sur: