VAOVAO TAMBATRA

Efa vita ny ampahefatry ny asa ankapobeny amin’ny fanamboarana ny lalana RN 13, mampitohy an’i Taolagnaro sy Ambovombe. Mahatratra 51 km ny ampahan-dalana nasiana fanitarana
amin’ny velarany, 28 km efa naravona. Mandeha tsikelikely koa ny fandrakofana godirao, miampy ny fametrahana lakandrano sy fanarian-drano.

Miakatra avokoa ny ankamaroan’ny entana fampiasa andavanandro amin’izao ankatoky
ny fety izao. Ho an’ny henan’omby, tafakatra hatrany amin’ny 20.000Ar ny kilao. Fiakarana manodidina ny 12.5% raha toa ka manodidina ny 18.000Ar ny kilao ho an’ny henan-kisoa. Mihavitsy sady sarotra tadiavina no lafo ny henan’ omby eny an-tsena.

Mitaraina ny fiaraha-monina manoloana ny fahatapahan-jiro sy tsy fandriam-pahalemana ary ny fisondrotrin’ny vidim-piainana. Sarotra ny fitantanana ho an’ny isa-tokantrano fa indrindra
ho an’ireo tojo tsy fahasalamana. Midangana ny vidim-panafody, mitotongana ny toekarena mala­gasy.

Vita tanteraka ny fanoloana ny tetezan’i Maromalandy, PK 385+200 any amin’ny lalana RN4. Mirefy 43 metatra ity tetezana ity, izay nohavaozina tanteraka. Namatsy vola azy ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ilay tetikasa PDDR/ CERC, eo anivon’ny minisi­teran’ny Asa vaventy.

Partager sur: