Be mpampiasa indrindra maneran-tany ny vokatra soja. Tafiditra ao anatin’ny sakafo mahasalama izy satria mahasolo ny protéine azo avy amin’ny fihinana hena sy legioma.
Hita tany Chine tamin’ny 5000 taona lasa ny zavamaniry soja, raha ara-tantara. Nitombo hatrany ny vokatra sy ny voly soja nanomboka tamin’ny taona 1980 ary miroborobo fatratra ankehitriny. Anisan’ny firenena mamokatra azy io any Frantsa. Ahitana izany ihany koa eto Madagasikara. Faritra maro eto amin’ny Nosy no ahitana mamboly izany. Toy ny any amin’ny faritra Vakinankaratra, Soanierana Ivongo, Itasy… Misy isan-taona ny vokatra fa miova araka ny vanim-potoana ny vidiny, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanaovana fanadihadiana.
Misy karazany maro ny soja. Misy ny miloko mena ary misy ny mavo. Misy ihany koa ny vaventy sy madinika, izay samy manana ny mampiavaka azy raha ny fanazavana hatrany. Natokana hanaovana menaka fotsiny ny soja madinika. Azo anaovana karazan-tsakafo isan-karazany kosa indray ny soja vaventy.
Mitondra vokatsoa maro
Ahitana tombontsoa isan-karazany ny fihinana ny vokatra soja. Anisan’izany, ny otrikaina samihafa azo avy amin’ ny voany 100g. Mahatratra 20,8 g ny glucide, 419kcal ny calories. 34,5g ny protéines. 13g ny “fibre alimentaire”. Rano avokoa ny 12% avy amin’ ny voany iray. Ahitana singa mineraly ihany koa izy. 6mg ny vitamine C. 277 mg ny calcium…
Ankoatra izay, azon’ny olon-drehetra sotroina manomboka eo amin’ny fahenim-bolana
ny vokatra soja. Miantoka ny fahasalaman’ny olona iray izany.
Nisy zaza tsy salama, anisan’ny saozanina tamin’izany. Lafo ny fitsaboana ara-medikaly an’io zaza io ka tsy naharaka ny enti-manana teo amin’ ny ray aman-dreniny. “Niresaka tamiko ny renin’ilay zaza tamin’izany ary nomeko sosokevitra mikasika ny fihinanana ny soja”, hoy Ratsiferana Lucia, tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny orinasa Lulu. Notsaboina tamin’ny alalan’ny fihinanana ny soja ho toy ny foto-tsakafo mihitsy izany. “Afaka roa taona taty aoriana, sitrana soa aman-tsara ilay zaza vokatry ny fanarahana ny fihinanana sy ny fandrahoana ny soja natoroko”, hoy izy nitantara.
Soja miala hodiny no ampiasaina
Miparitaka eny an-tsena eny ny fivarotana ny vokatra soja, indrindra fa ny ronono, raha ny zava-misy eto Antananarivo. “Entanina ny olona hamantatra ny vokatra tsara kalitao”, hoy hatrany izy. Raha mitondra voana soja 3 kg eny amin’ny mpitoto eny an-tsena. 750g amin’ny vovony azo dia ratsy avokoa, raha ny fanazavany hatrany.
Mba hialana amin’izay, nanome torohevitra amin’ny fandrahoana soja ny tenany. Lomana amin’ny rano mangotraka mandritra ny minitra vitsy ny voana soja maina. Voasana ny hodiny, ahodina ho lasa vokatra hafa ny nofony avy eo, izay tena mila faharetana. Nilaza izy fa tsy mety voasana mihitsy ny soja ratsy kalitao. Azo antoka tsara sady mahasalama ny vokatra amin’izay fotoana izay.
Mety hampidi-doza ho an’ny fahasalamana
Anisan’ny mampidi-doza ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ihany koa ny vokatra soja. Ahitana ny akora ratsy antsoina hoe « phytoestrogène » izy. Mety hiteraka olana amin’ny fiasan’ny sela mpamokatra (hormone) sy mahatonga fahamombana ny fihinana azy matetika noho izany. Tsy tsara ho an’ny vehivavy voan’ny homamiadan’ny nono ny fihinanana azy io satria, mety hitarika amin’ny fiverenan’ny aretina indray izany. Ankoatra izay, tsy tsara ho an’ny olona manana olana eo amin’ny aretina “thyroïde” ihany koa, raha ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana. Tsy tsara ho an’ny zaza latsaky ny faha-enim-bolana ihany koa izy io. Afaka manova ny heriny sy ny fiasan’ny fanafody hohanin’ny marary ny fihinana soja. Manaraka izay, misy ihany koa ny tsy mazaka ny fihinanana soja noho izy tafiditra ao anatin’ny sakafo mavesatra.
“Anisan’ny mpanjifa ny vokatra soja ny mpianatra, ny olona diabetika, tsy mahazaka atody na ronon’omby ary ny olon-tsotra isan-tsokajiny”, hoy Vonjiniarana, tomponandraikitra eo anivon’ny Art de soja. Nilaza ihany koa izy fa azo anaovana solon-tsakafo tsara ny soja amin’ny ankapobeny. Marihina fa tsy tokony mihoatra ny roa vera isan’andro ny fihinana na fisotroana ny vokatra azo avy amin’ny soja, mba tsy hiteraka tsy fahasalamana eo amin’ny olona iray.
Mino