Mitaky ny hisian’ny dinika ny Vondrona eoropeanina mba hanokafan’ny fitondrana varavarana hifampiresahana na efa lany aza ny filoha vaovao. “Tena ilaina ny fitoniana mialoha ny fifidianana depiote sy ben’ny Tanàna manaraka”, hoy Isabelle Delattre.
Anisan’ny nanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina teny Mahamasina, ny kandidà, Raderaniaina Sendrison. Teo koa ny kandidà Ratsirahonana Harilanto ary nilaza fa dingana amin’ny fampihavanana ny famaliana ny fanasana tahaka izao.
Fandalana ny demokrasia sady olom-boafidy ny antony namitana adidy amin’izao fianianan’ny filoha Rajoelina izao, araka ny nambaran’ny loholona Razafimahefa Herimanana. “Maro ny andraikitra miandry ka tsy maintsy tanterahina”, hoy izy.
“Mbola maro ireo tsy mahatsapa ny zava-doza mahazo ny firenentsika”, hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, tany Mahajanga, omaly. Nanteriny fa tsy maintsy miainga any ifotony. manentana sy manazava amin’ny rehetra ny hisian’ny firaisan-kina mba ho tan-dalàna izy ireo.