Tsy raikitra ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ ny lomano, saika natao ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro (ANS) Ampefiloha. Olana teo amin’ilay kandidà nirotsaka ho fidina no antony tsy nanaovana ity fifidianana ity. Kandidà tokana no nirotsaka saingy manana olana izay mifanipaka amin’ny fitsipika mifehy ny fifidianana eo anivon’ny FMN izy. Robinson Dadah io kandidà io, izay efa nisehatra teo amin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe ka efa manana sazy avy amin’ny federasiona iraisam-pirenan’ny tsipy kanetibe. Nolavina avy hatrany, araka izany, ny firotsahan-ko fidiny, rehefa nodinihin’ny komity nikarakara ny fifidianana ny antontan-taratasiny. Araka izany, tsy raikitra ny fifidianana fa tatitra tsotra no nataon’ny federasiona nitantana teo aloha. Araka ny tapaka, ahemotra ny 27 janoary 2024 ity fifidianana izay ho filoha vaovaon’ny federasiona malagasin’ ny lomano, hitantana mandritra ny 4 taona manaraka, ity.
Mi.Raz