Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kung fu, taona 2023. Teny amin’ny Temple de Pierre Mizael, Ambatomirahavavy, no nanatanterahina izany, nandritra ny 2 andro. Ny asabotsy 16 desambra no nanaovana ny dingana fifanintsanana sy ny manasa-dalana ary omaly alahady 17 desambra kosa ny dingana famaranana. Mpikatroka 15 no niatrika ny famaranana, teo amin’ny “Kung fu Light” sy ny “Tao-lu”. Anisan’ny nisongadina sy navitrika ny mpikatroka avy eto Analamanga izay nahazo fandresena betsaka indrindra. Mpikatroka 12 mianadahy no solontenan’Analamanga niatrika ny fifaninanana. Nahatonga solontena betsaka ihany koa ny tany amin’ny faritra Amoron’i Mania izay nahitana mpikatroka 10 nifaninana. Nankasitrahan’ny federasiona ireo ligy 9 izay nahatonga solontena, tamin’ity fiadiana ny tompondaka nasionaly ity ary nampiseho ny fahaizany. Tsiahivina, ity fifaninanana nasionaly ity no namaranan’ny federasiona malagasin’ny Kung fu ny taom-pikatrohana 2023. Afapo amin’ny ankapobeny ny FMKF tamin’ity taona ity satria tontosa avokoa ireo programa nokasaina hatao rehetra. Ny zoma lasa teo moa no nanaovana ny fivoriambe teo anivon’ny federasiona ka nahazo fankatoavana hanohy ny asany ny biraon’ny FMKF mandritra ny taom-pikatrohana 2023-2024.
Mi.Raz