Ny taona 2020 no niorina ny Groupe Mirasoa.18 mianadahy, ahitana mpitendry zavamaneno, mpihira, mpandihy ary mpiangaly ny feolafika no mandrafitra ny tarika. Taorian’ny nahavitan’ ny Mirasoa ireo fitetezam-paritra nahahenika an’i Madagasikara. Hiaka-tsehatra hizara ny kantony any Marseille, ny 30 desambra ary ao Paris, ny 31 desambra ho avy izao, ny tarika. Seho iarahana manatontosa amin’ny RN prod any an-toerana. Taona 2024, hamaky lay etsy amin’ny Coliseum Antsonjobe, ny Groupe Mirasoa. Marihina fa ny « manager » Panoma, no miantsoroka ny fandrindrana ny fomba fiasa eo anivon’ny tarika. Manana traikefa sy haizatra matanjaka amin’ny fikirakirana ny tontolon’ny mozika amin’ny ankapobeny.
Anisan’ny nahafahan’ny tarika Mirasoa nanao dingan-dava tahaka izao ny ny nahavitany nitady ny marimaritra iraisana eo amin’ny tsapiky sy ny salegy hanjary gadona mozika vaovao. Tombony ho azy ihany koa ny fananana an’i Mirasoa, itoeran’ny feomanga feno angola voajanahary. Havanana amin’ny famoronana tononkira miainga amin’ny zavamisy rahateo izy. Eo koa ny talentany amin’ny famoronana soradihy. Ampahany amin’ireo sanganasa nohajariany ny «Ampela mamo lava », « Aombe », « Valala », sns.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto