Efa fantatra hatramin’ny ela ny olan’ny vahoaka ifotony fa ny fiatrehana fiainana andavanandro: tsy fandriampahalemana, vidim-piainana, tsy fisian’asa, famatsian-drano sy jiro, masomboly sy zezika… Tsy vaovao koa izay mamaky loha isan’andro ny ankamaroan’ny mpanao politika fa ny hambompo politika, ny ady fahefana, ny fangirihana na fiarovana tombontsoa… Amin’ny ankapobeny, saika tsy mety mifameno fa mifamono aza izany. Izay no anisan’ny mahatonga ny tsy fifampitokisana. Na eo amin’ny samy mpanao politika io, na eo amin’ny vahoaka sy ny mpanao politika; eny, fa na eo amin’ny samy vahoaka aza fa misy ny hoe mahitahita, zanaka an-trano, tsy very mandeha…
Ahoana no hampifanojoana izany ho amin’ny fifampitokisana, filaminana, tombontsoa iombonana, fampandrosoana… ? Tsy mitovy ny lalana, ny atao, ny paika… Samy maka ho azy fa tsy misy na tsy hita izay iombonana sy mampiombona? Izay mampisaraka aza inian’ny sasany volena, ampitomboina, hirahiraina… Noho ny fitiavan-tena? Izay no mampiady an-toerana, na mpiray tanindrazana sy iray vahoaka izao aza. Tsy mbola tafahoatra ny tena sy ny fianakaviana ny hoe politika ho an’ny sasany? Na tsy tafahoatra ny antoko isiana, na ny faritra niaviana, na ny anio sy ny izao dia izao ihany… Lazain’ny mpandinika sasany fa izay no tsy mampitovy ny olona politika sy ny olom-panjakana.
Mijery lavitra amin’izay hoavin’ny taranaka mifandimby ny olom-panjakana, mijery ny firenena eo anatrehan’izao tontolo izao, mijery ny soa iombonana sy mampiombona fa tsy manavaka… Aiza ho aiza izany rehetra izany amin’izao? Indrindra ny amin’ny ho avy manomboka izao… Mila mitondra ho amin’ny fiovana ny dingana atao. Mby aiza? Ny atao no hita; ny soa, mahatarika. Eny, na efa nitsara tamin’ny fifidianana aza ny vahoaka.
R. Nd.