Seho miavaka no hanakatonan’ny Faribolana Sandratra ny taom-piantsana 2023. Hovelomin’ireo mpilalao tantara amin’ny Radio, mpikambana ao aminy, eny an-tsehatra ny « Misy mihaino ». Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny CGM Analakely, ny sabotsy 23 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
« Misy mihaino », hamondronana ampahany amin’ireo tantara fandefa amin’ny Radio, ahitana tara-kevitra mahatsikaiky, mampatahotra ary miresaka ny tranga andavanandro eny amin’ny fiarahamonina. Ampahany amin’ireo mpilalao tantara amin’ny Radio sady mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra no hilalao azy io. Anisan’izany i Nofy, Zo Maminirina, Christophe Rabearimanana, Mampandriniaina Manitra, Sylvia Randrianatoandro, Niravo ary i Hanitra Olive.
« Nampianarin’ny zoky efa nodimandry, toa an’i Solofo José mivady sy i Bebe Néné, izy ireo, raha eo amin’ny famelomana tantara fandefa amin’ny Radio. Noho izany, natao ahatsiarovana ireny raiamandreny ireny ihany koa ny Misy mihaino », hoy i Zo Maminirina.
HaRy Razafindrakoto