TARATRY ny KANTO

“Tour’nao”. Lasan’Indiamahery ny amboaran’ny fifaninanana « Tour’nao ». Ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Aft Andavamamba, no nanaovana ny dingan’ny famaranana. Fifaninanana “Slam” ho an’ireo sangany izy ity, ary niisa enina izy ireo no nifaninana tamin’izany.

“Zébu d’Or”. Voahosotra ho mpandresin’ny fifaninanana nasionaly, nandritra ny “Madagascourt Film Festival” andiany faha 18, Andriamanantsoa Rotsy Koloina, tamin’ny alalan’ny horonantsary “Les histories dans mes yeux”. Izy, araka izany, no nahazo ny “Zébu d’or”, izay amboara ho an’ity fifaninanana ity.

Nodimandry i Maurice Halison. Mpihira, mpamoron-kira, mpitendry zavamaneno. Samy manavanana azy avokoa ireo. « Ombimanga voatora-defona », « Ny fitiavako anao », « Fehezam-boninkazo », « Jacaranda »… Ampahany amin’ireo sanganasa nahafantarana an’i Maurice Halison ireo. Anisan’ny mampiavaka azy kosa ny asa fikarohana nataony. Iray amin’ireo namorona valiha « chromatique ». Mahay sy mahafehy ny valiha maty dimy sy ny solfezy.

“Sedran’ny tany”. Tanterahina eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, manomboka ny 6 janoary 2024, ny fampiratian-dRazafitsalama Mialy. Izy izay mpahay kanto misehatra eo amin’ny sehatry ny sary pika hatramin’ny fahakeliny ary haikanto mahakasika izany no harantiny ao.

Partager sur: