Hiverina hamokatra ny tantsaha ao amin’ny distrika Antsalova, faritra Melaky, noho ny fahavitan’ny tohodranon’i Beboka. Hamokatra vary fanampiny hatrany amin’ny 6 300t isan-taona ny fotodrafitrasa, entina hampiroboroboana ny famokarana sy hanampiana ny tantsaha ka hanatrarana ny fanamby amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hanondraka velaran-tany 1 600ha mandritra ny fotoam-pambolena ny lakandrano ary 500ha ho an’ny voly avotra. Mahatratra hatrany amin’ny 1 346, avy amin’ny fokontany efatra: Ampamoty, Saririaka, Masama ary Arindrano, ireo hahazo tombontsoa mivantana amin’ny fotodrafitrasa. Ankoatra izay, napetraka ny paikady hampaharitra sy ho fikojakojana ny lakandrano. Natsangana ny fikamban’ny mpampiasa rano, AUE, miisa 4. Samy nisitraka fiofanana momba ny fitantanana ny rano, fitandroana ny fotodrafitrasa, fampahafantarana ny andraikitra amin’ny fikojakojana ny fikambanana.
Sompitra
Nomena fiofanana mahakasika ny famokarana manaraka teknika ny tantsaha ao an-toerana mba hahatonga ny faritra Melaky ho sompitra indray raha toa ka tamin’ny taona 1981 no namoahany vokatra farany noho ny tsy fahampian’ny rano sy ny tsy fananana fotodrafitrasa. Zava-dehibe ny fahavitan’ny tohodrano noho izy tombontsoa maharitra ho an’ny tantsaha. Nanatanteraka ny fanamboarana izany ny tetikasa AD2M izay vatsin’ny FIDA vola.
Henintsoa H.