«Tantara miainga amin’ny zava-misy mifangaro amin’ny eritreritra, izay misy fanantenana maharitra na dia ao anatin’ny fotoana maizina indrindra aza», hoy ny filazan’i Mose Njo azy. Miendrika famaritana ilay boky nosoratany, “Lisy Mianjoria” izany. “7 taona lasa izay, nivoaka ny boky iray ka nanaitra ny fontsika sy ny saintsika. Tantara nampisaina antsika rehetra, nefa efa tsy hitanareo intsony izy tao anatin’ny taona vitsivitsy. Faly izahay mampahanfatatra anareo fa hivoaka indray ny Lisy Mianjoria, nosoratan’i Mose Njo”, hoy kosa ny tomponandraikitra avy amin’ny édition Karné. Izy ireo no mandray an-tanana ny fanontana ny boky manaraka, izay nohavaozina sy nohatsaraina ny endriny.
Hivoaka ny 23 desambra izao ny boky, mba ho azo hatao fanomezana amin’izao ankatoky ny fety izao. Ho hita manerana ireo mpivaro-boky eto Antananarivo ny tanjona, mba hanamorana ny fahazoan’ireo efa ela naniriana ny boky.
Nasiam-panavaozana, tsy ny endriny ihany fa ny teo amin’ny asa soratra ihany koa ny “Lisy Mianjoria”. Tsy nitsahatra nikaroka izay hahatsara ny sanganasany i Mose Njo nandritra izay fito taona izay, raha ny filazan’ny mpamokatra ihany. Natao izay hampisy zoto ny mpamaky, ka ho voatanan’ny tantara anatin’ny 350 pejy. Mirafitra ao anatin’izay ny tantaran’i Lisy, araka ny nandokoan’ny mpanoratra azy.
Zo ny Aina