Afaka manohy ny asany ara-dalàna ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA). Nankatoavin’ireo ligim-paritra 11 ny asa vitany nandritra ny taom-pilalaovana 2023. Betsaka ny asa miandry, anisan’izany ny lalao Olympika, “JO 2024”, any Paris France.
Notanterahina tetsy amin’ny kianja Alarobia, ny alahady lasa teo, ny fivoriambe ara-potoanan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA). Nanatrika izany avokoa ireo ligim-paritra miisa 12. Taorian’ny tatitra teknika sy ny vola ary ny moraly nataon’ireo komity mpitantana eo anivon’ny federasiona, natao ny tsangan-tanana nangatahana fankatoavana “quitus” avy amin’ireo ligy. 11 nanaiky ary 1 kosa tsy naneho hevitra. Araka izany, afaka manohy ny asany ho an’ny taona 2024 ireo komity mpikambana eo anivon’ny federasion’ny atletisma. Tsy nanafina Raherison Dominique, filohan’ny federasiona fa nisy ny hevitra hoentina manatsara sy hanolorana tanana eo amin’ny fomba fiasa hanatsarana ny vokatra, indrindra eo amin’ny lafiny teknika.
Goavana ny asa miandry ny federasiona ho an’ny taom-pilalaovana 2024 na ny eto an-toerana na ny any ivelany raha tsy hitanisa afa-tsy ny andiany faha-13 amin’ny lalao hatao any Ghana, ny 8 ka hatramin’ny 25 marsa ho avy izao. Eo koa ny 19 ka hatramin’ny 24 jona. Ary ny lehibe indrindra dia ny lalao Olympika any Paris Frantsa, ny 26 jolay ka hatramin’ny 11 aogositra. Fifaninanana mbola hiadiana mafy ny hahazoana tapakila hiatrehana izany.
Manoloana ireo rehetra ireo, miantso ny fiaraha-miasan’ny rehetra ny filohan’ny federasiona, izay niaiky rahateo fa efa mihalehibe ireo Malagasy atleta ka hisy ny fitiliana ireo taninketsa, dieny izao.
Anisan’ny ho trandrahina manokana ny any amin’ny fifaninanana Trail, izay hita fa manavanana ny Malagasy. Nanatrika ity fivoriambe ity ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena.
Tompondaka