Banky Iraisam-pirenena: mahatratra 443,5 miliara dolara ny trosan’ny tany mahantra

Manambara ny Banky iraisam-pirenena fa tafakatra ambony be ny tahan’ny zanabola tato anatin’ny 40 taona farany. Nahatratra 443,5 miliara dolara ny vola navoakan’ny firenena andalam-pandrosoana nandoavany ny trosany tamin’ny taona 2022.

Nitombo 5% miohatra ny tamin’ny taona 2021 ny trosa naloan’ny firenena mahantra, ny taona 2022. Mitotaly 88,9 miliara dolara ny vola, saran-draharaha amin’ny trosa, naloan’ny firenena andalam-pandrosoana miisa 75 tamin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandro­soana (Ida), ny taona 2022. Tafakatra avo efatra heny, nahatratra 23,6 miliara dolara ny zanabola naloa tamin’io taona io. Raha atambatra, tombanan’ny Banky iraisam-pirenena hitombo 39% ny saran-draharaha samihafa amin’ny trosa sy ny zanabola ho an’ny firenena tena mahantra ny taona 2023 hatramin’ny 2024.
Nilaza ny mpahay toekarena, filoha lefitry ny vondrona Banky iraisam-pirenena, Indermit Gill, fa mitombo isa ny firenena andalam-pandrosoana boka trosa, satria miakatra isaky ny telo volana ny tahan’ny zanabolan’ny trosa. Vola nindramina nampiasaina ho an’ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fananganana fotodrafitrasa ireo vola nindramina ireo. Vao mainka mitombo ny sorabola
Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena ihany, nahatratra 18 ny endrika tsy fahafahana mandoa trosa ho an’ny firenena andalam-pandrosoana miisa 10. Tsy afaka mandoa ny trosany ny 60%-n’ny firenena mahantra, ankehitriny.
Manampy ireo, miangona ny renivola sy ny zanabola ary ny saran-draharaha. Ankoatra izany, mahazo aina ny sandam-bola dolara, ka vao mainka mitombo ny vola aloan’ny firenena mahantra mpitrosa. Mihena koa ny vola miditra amin’ny firenena mpindrana avy amin’ny fanondranana entana mankany ivelany.
Mila mikaondoha haingana ireo firenena mpindram-bola, ny tsy miankina, ny rafitra ara-bola marolafy, mikaroka vahaolana, ka tsy hanavesatra ny trosa. Raha tsy tanteraka izany, vao mainka hitombo hatrany io ato anatin’ny 10 taona ho avy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: