Échecs-Mada 2023 : nisongadina ny klioban’ny MCG

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lalaon-tsaina Échecs. Ny sokajy Blitz sy Rapide no nifaninana tamin’izany ka nisongadina hatrany ny klioban’ny MCG. Mpilalao avy amin’ity klioba ity avokoa no voahosotra ho tompondaka na teo amin’ny Blitz izany, na teo amin’ny Rapide. Ho an’ny Blitz, nahazo ny fandresena, Rakotomanga Henintsoa Anthony (MCG), faharoa kosa, Valisoa Jean Hervé (CGM) ary fahatelo, Andrianiaina Heritiana (Joker). Teo amin’ny Rapide kosa, laharana voalohany, Rakotomaharavo Dylan (MCG), faharoa Rakotomanga Henintsoa (MCG) ary laharana fahatelo, Andrianiaina Heritiana. Nankasitraka ny ligin’ny Vaki­nankaratra ny federasiona, tamin’ny fanatontosana araka ny tokony ho izy ity fifaninanam-pirenena ity. Marihina fa nandritra io fotoana io ihany koa no nanoloran’ny federasiona ny fitaovana toy ny “pendule”, ho an’ny ligin’ny Vakinan­karatra.

Mi.Raz

Partager sur: