Tsy afa-misaraka ny sehatry ny fizahantany sy ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra. Manana tombony betsaka ireo mpandraharaha mampiasa ny niomerika, hamaliana ny filàn’ny mpanjifa ka afaka mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hanamorana ny fandoavam-bolan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fizahantany no nahatonga ny Paositra malagasy, amin’ny alalan’ny Paositra Money sy ny Vanilla Pay international (VPI) hiara-hiasa. Vita sonia omaly, tetsy Ambohidahy, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
Vovonana iray hanamorana ny fahazoam-bolan’ireo mpiantsehatra samihafa eo amin’ny tontolon’ny fizahantany ny VPI. “Azo aloa amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra avokoa ny vola rehetra. Izany hoe, tsy hisy intsony ny fikirakirana vola mivantana fa ho vita amin’ny fifandraisan-davitra ny rehetra”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fizahantany, Randriamandranto Joel, omaly. Nilaza izy fa tombony ho an’ireo mpandraharaha ny fampiasana izany, noho izy mampitombo ny isan’ireo mpizahatany manatona azy ireo. Tanjona ny hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta sy hanamora ny fampiasam-bola. “Hampitombo 20% ny mpizahatany ho avy eto Madagasikara ny tetikasa”, hoy kosa ny filohan’ny Vanilla Pay international,
Randriamanamihaja Andry.