Nolanian’ireo loholon’i Madagasikara tsy nasiam-panovana, ny zoma teo, ny tolo-dalàna momba ny fiarovana ny olona manana toe-tena varira. Tanjon’ity tolo-dalàna ity ny hanomezana toky ireo olona manana io toe-tena io ny amin’ny zo fiahiana amin’ny lafiny fitantanana, sosialy, fitsarana ary fahasalamana.
Fiaraha-miasa tamin’ny Sampana mpamonjy voina avy amin’ny Corse du sud no nisitrahan’ny Sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalàna fitaovana hanatevenana ireo efa an-tanana ho enti-miasa. Ahafahana miatrika ny asa anaty fenitra ary hiadiana amin’ny afo mandritra ny haintrano ireo fitaovana natolotra.
Tontosa manerana ny CRINFP ( ivontoerana fanofanana mpampianatra any amin’ny faritra hisehatra amin’ny sekolim-panjakana) 27, eto Madagasikara ny tombana famaranana ny fiofanan’ireo mpampianatra, eo anivon’ny kolejy; ny herinandro lasa teo. Naharitra hadimiana ny tombana natao. Niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany ny INFP eto amin’ny foibe sy ny CRINFP.
25 ny mpisehatra amin’ny fikarohana samihafa, eo anivon’ny foibem-pirenena mikaroka momba ny zavamaniry hatao fanafody (Cnarp). Misy momba ny zava-maniry, ny simika, ny fahombiazan’ny fanafody vokarina… Zava-maniry eto Madagasikara avokoa no havadika ho fanafody ary manaraka ny dingana samihafa takin’ny fenitra. 15 ireo karazam-panafody novokarin’ny Cnarp ary efa ampiasan’ny daholobe.