Mitohy ny fiakaran’ny vidim-bary. Nahatratra 1 000 Ar ny kapoakan’ny vary gasy mena eny amin’ny mpaninjara, nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo. Izany hoe, 3 500 Ar ny kilao, nahitana fitomboany 100 Ar isaky ny kilao, satria mbola 3 400 Ar tamin’ny fiandohan’ny volana desambra. Mahatratra 3 400 Ar hatramin’ny 3 500 Ar kosa ny vidin’ny makalioka, raha manodidina ny 3 000 Ar ny kilaon’ny vary hafarana avy any ivelany. Manodidina ny 2 800 Ar ny kilaon’ny vary tsipala.
Nilaza ny mpamongady iray eny Andravoahangy, fa noho ny filatsahan’ny orana no mampiaka-bidy ny vary satria ratsy ny lalana any amin’ny toerana hakan’ny mpanangom-bokatra azy. Mihena tsikelikely koa ny tahirim-bary.
Ao anatin’ny maitsoahitra tanteraka, ankehitriny. Tombanana hiakatra amin’ny fiandohan’ny volana janoary ny varialoha, toy ny eny amin’ny Betsimitatatra, Laniera, Fenoarivo, sns. Manomboka manetsa kosa ny tantsaha mampihatra ny vakiambiaty, tena miantoka ny famatsiam-bary eto amintsika. Manentsina ny banga ny vary hafarana avy any ivelany, saingy nihalafo koa ny vidiny.
Njaka A.