« Passion 4 Humanity » : nisokatra omaly ny fampirantiana « Nous sommes »

Mahatsiaro tena ho manana adidy sy andraikitra amin’ny fanabeazana sy fampahatongavan-tsaina ny vahoaka ny mpahay kanto, indrindra ireo namolavola ity fampirantiana ity, manoloana ny lafiny fahasalamana, ny rano ary ireo zavaboahary eto amintsika.

Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 2 janoary 2024 ny fampirantiana «Nous Sommes», atao eny amin’ny «Passion 4 Humanity», Cité Planton Ambaranjana. Ny Institut français de Madagascar (IFM), miaraka amina mpahay kanto miisa efatra, samy manana ny maha izy azy, no mikarakara ity fampisehoana ity. Ny ma­hakasika ny tontolo iainana sy ny zava-misy sedrain’izany tontolo izany no asongadin’ny fampirantiana. Tanjona ny hitaona ny olona ho tonga saina amin’ny fiarovana sy fikajiana azy io.
Mpaka sary pika miisa efatra sy mpiangaly “Slam poésie” iray no niara-nisalahy namolavola izany. Ny fahitan’ izy ireo ny olana sy ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny rano, fahasalamana, ny vina amin’ny hoavy, ny loza mitatao ho an’ny zavamananaina mampiavaka an’i Madagas­ikara no nahatonga azy ireo nanao ny hetsika. Haikanto momba ireo lohahevitra ireo, araka izany, no hiranty eny an-toerana, mandritra ireo fotoana ireo, ahitana sary pika sy poezia maneho ny olana sy ny zava-misy manodidina ny lohahevitra. Mandritra ny fampirantiana “Nous sommes”, hisy ny fanentanana iarahana amin’ny Systém D, izay mpian­galy Slam nandrombaka ny “Slam national” andiany fahatelo.
Tsy sahala amin’ny fampirantiana tsotra anefa fa hisy ny mampiavaka azy. Hisy ny atrikasa mahakasika ny fanoratana, ny “Dité-Philo”, izay hanatanterahina resadresaka sy ady hevitra manoloana ny lohahevitra, ary ny “Haiku”. Ny Alarobia 20 desambra 2023 ihany anefa no ahitana ireo hetsika ankoatra ny fampirantiana. Ny hetsika izay misokatra ho an’ny rehetra sy maimaimpoana tanteraka.

Lin

Partager sur: