SOMBIM-BAOVAO

Nahazo record national, teo amin’ny 50m, Nage libre, nandritra ny ” Salnikov Cup 2023″, taranja lomano, natao tany Russie, Rabejaona Holy Antsa. Vitany tao anatin’ny fe-potoana 26″ 94 ny 50m raha toa ka 27″ 35 no nahavitany izany, nandritra ny lalaon’ny Nosy farany teo.

Raveloson Rayan, Malagasy mpilalao baolina kitra. Efa niverina niakatra kianja taorian’ny nahazoany sazy. Nandresy ny Ajaccio, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny AJ Auxerre, klioba ilalaovany, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i France, diviziona faharoa. Tsiahivina fa Rayan no kapitenin’ny Barea de Madagascar amin’izao fotoana.

Ny Bayern Leverkusen, klioba Alemà no tsy mbola resy mihitsy nandritra ny lalao 24 nataon’izy ireo. Ity ekipa Alemà ity no voalohany ao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Allemagne “Bundesliga”. Tsiahivina fa ilay espaniola mpanazatra, Xabi Alonso, no mitondra ity ekipa ity.

Melvin Adrien, Malagasy mpiandry tsatoby Barea. Tsy afaka milalao mandritra ny fotoana maro. Marihina fa misy ratra ny hozatra eo amin’ny lohaliny ary efa vita ny fandidiana izany, ny alahady lasa teo. Araka izany, nilaza ny mpanazatra ny Barea, coach Rôrô, fa mila manomana mpiandry harato vaovao ny Malagasy.

Partager sur: