TSELATRA

Olona 10 naratra, raha roa miady amin’ny fahafatesana. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ihazolava RN 7, omaly maraina. Taksiborosy iray no nifandona tamina fiara R. Kangoo iray. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary sady nandefa ireo naratra nihazo ny hopitaly. Samy nahitana fahasimbana ireo fiara nifandona.

Nitonona ho zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy ireo jiolahy telo niditra an-keriny tao an-tranon’olona eny Ankazomby, fokontany Ambohibao, kaominina Bongatsara, afakomaly. Nilaza ho mikaroka olona izy ireo izay tsy nisy akory. Nanery ny tompon-trano ry zalahy fa hoe tsy maintsy hanao fisavana ny trano, saingy tsy nanaiky ny tompon-trano. Tonga teny an-toerana ny zandary ka tratra ny iray niaraka tamin’ny basy.

Naiditra am-ponja eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo jiolahy roa tompon’antoka tamina vono­an’olona feno habibiana tao amin’ny fokontany Antsakambahiny, kaominina ambonivohitr’i Manja­kan­driana. Vehivavy lehibe no hita faty tao an-tranony tamin’io fokontany io, ny 11 desambra 2023 lasa teo. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izao vonoan’olona feno habibiana izao ireto jiolahy ireto.

Olona sivy samy mpihavana avokoa no indray voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny fanaovana hala-boty sy fividianana entana halatra ireto fianakaviana ireto. Eny Isotry ny fivarotan’izy ireo ny entana halatra rehetra. Misy ireo mangalatra, ao koa ireo mivarotra izany, raha ny fanazavan’ny zandary.

Partager sur: