Vanim-potoana anisan’ny mampiakatra ny vidin’entana isan-karazany ny vaninandro fety. Ankehitriny, mahatratra hatrany amin’ny 20 000Ar ny kilaon’ny henan’omby.
Andro vitsy mialoha ny fetin’ny Krismasy isika izao, miakatra avokoa ny vidin-tsakafo andavanandro. Ankehitriny tafakatra hatrany amin’ny 20 000Ar ny kilaon’ny henan’omby,
19 000Ar kosa ny henan’ondry eny an-tsena, raha toa ka manodidina ny 18 000Ar ny henan-kisoa. “Tsy mbola nisy ohatran’ity hatramin’izay 15 taona nivarotako hena izay”, hoy Ra Jean, mpivaro-kena iray eny Analamahitsy. Vao roa herinandro lasa izao fiakarana izao, raha ny nambarany. Sady mihalafo ny hena no mihavitsy ka voatery mampihena ny entana alaina andavanandro ireo mpivarotra. Anatin’ny vanim-potoanan’ny maitsoahitra isika izao, antony voalaza fa mahatonga izao fiakaran’ny vidiny izao. Eo koa ny saran’ny fitaterana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ho an’ny akoho fakana nofo, manodidina ny 16 000Ar ny kilao amin’izao raha toa ka 20 000Ar ny kilao ho an’ny akoho gasy. Mananika ny 30 000Ar kosa ny vidin’akoho velona ary manomboka ny 100 000Ar ny vorontsiloza, arakaraka ny habeny. Tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny tokantrano tsirairay ny fisondrotry ny vidim-piainana. Toy ny isan-taona miakatra ihany koa ny vidin’entana mandritra ny vanim-potoanan’ny fety.
Toekarena
“Tsy manomana vola natokana ho an’ny fety ny ankamaroan’ny tokantrano noho ny tsy fisiana”, hoy i Fanja, renim-pianakaviana. Notohizany fa tsy mamela azy hanao izany ny fidiram-bolany. Voatery ampandeferina ihany koa ny filàna madinika hisorohana ny fandaniana tafahoatra. Ankoatra izay, ahena avokoa ny sakafo fividy andavanandro mba hanamorana ny fitantanana.
Henintsoa Hani