VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN 31, mampitohy an’Ankazob­etsiahy sy Bealanana, faritra Sofia, mirefy 101,6 km. Hitarina sady ho rakofana godirao ity lalana ity. Miisa 28 ny tetezana, ka harenina ny 6 amin’ireo. Hisy koa ny toerana fotodrafitrasa fandanjana fiarabe hatsangana.

Miisa 25 000 ny zana-trondro tilapia natolotry ny minisiteran’ny Jono ny tantsaha mpiompy any amin’ny faritra Betsiboka, ny herinandro lasa teo. Avy amin’ny foibe CDA Mahajanga ireo zana-trondro ireo, ary miisa 16 ny mpiompy nisitraka izany. Tafiditra ao anatin’ny paikady hampitomboan’ny mpiompy ny vokatra ity hetsika ity.

Nampahafantarina, omaly 18 desambra, ny fahavitan’ny fiara Mazana II, marika malagasy Karenjy. Any Fianarantsoa ity orinasa mpanamboatra fiara vita malagasy ity, anisan’ny manamarika ny indostrian’ny fiarakodia eto amintsika.

Partager sur: