Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ankadivoribe Soalandy, ny lalao famaranana ho an’ny fiadiana ny andiany faharoa, amin’ny «Atsimondrano Champion’s League», taranja baolina kitra. Fifaninanana nokarakarain’ny Atsimondrano Action sport sy ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny izay angady nananana sy vy nahitana izany. Voahosotra ho tompondaka ho an’ny faritra «A» ny Valence FC Andranonahoatra, rehefa nandresy ny RN1 Fenoarivo, tamin’ny isa 2 no ho 1. Ny Tambatra FC Ambohijanaka kosa ho an’ny faritra «B», rehefa nanilika ny FC Samada Soavina, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0. Samy notolorana 2 tapitrisa Ar avy ireo ekipa mpandresy raha 500.000 Ar ny an’ny faharoa. Ankoatra izay, nametrahana “pole position” ny eny Ankadivoribe, ahitana kianja marolafy toy ny volley-ball, ny basikety ary ny handball. Misy fotodrafitrasa hanaovana hira gasy sy efitrano fandraisana lanonana, ao anatin’izany.
Nisy ny fifaninanana basikety, ho an’ireo mpianatra amin’ny Lycée nisantarana ny kianja ka nandrombaka ny medaly volamena, Tanjombato ho an’ny vehivavy raha Ankaraobato ny an’ny lehilahy. Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, i Gerard Andriamanohisoa.
Torcelin