Fampandrosoana : vonona hanohana an’ i Madagasikara ny BAD

Hiara-hiasa akaiky amin’i Madagasikara ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa entina hampandroso ny firenena.

«Hanohana ireo tetikasa fampandrosoana eto Mada­gasikara ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD)», hoy ny filohany, i Adesina Akinwumi. Hojerena manokana ireo tetikasa mom­ba ny fambolena, ny angovo, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fanomezan-danja ny vehivavy sy ny tanora, mba ho fanoitran’ny fampandrosoana. Nanome toky i Adesina Akinwumi fa vonona hampiroborobo ny “Affirmative finance action for women in Africa” eto Madagasikara. Drafitrasa napetraky ny BAD mba hahazoan’ny vehivavy malagasy famatsiam-bola ao Afrika. Fandaharanasa izay manana lelavola hatrany amin’ny 5 miliara dolara, hamatsiana ny fandraharahana ataon’ny vehivavy. Voaresaka indrindra izany rehetra izany nandritra ny fihaonan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy i Adesina Akinwumi, ny alahady teo. Marihina fa anisan’ireo nanatrika ny fianianan’ny filoha tetsy Mahamasina ity tomponandraikitra ity.

Angovo

Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ihany koa ny momba ny tetikasa Sahofika sy Volobe. Fantatra mantsy fa afaka mamokatra hatramin’ny 7 800 MW i Ma­da­gasikara raha ny angovo azo avy amin’ny riandrano. Maniry ny hirosoana amin’ny dingana haingana kokoa, anatin’ny herinandro vitsy, ny filoha Rajoelina, raha ho an’ny tetikasa Sahofika manokana. Ankoatra izay, na mbola so­mary lavitr’ezaka aza, nasian-teny ihany koa ny iheverana ny hampifandraisana an’i Madagasikara sy i Mo­zambika amin’ny lafiny famokarana angovo. Nana­raraotra sahady hanasa ny filoham-pirenena hanatrika ny fihaonambe momba ny famatsiam-bola eto Afrika (AIF) i Adesina Akin­wumi. Tanjona ny hifampiresahan’ny rehetra amin’ny fa­natanterahana an’ireo tetikasa rehetra voaresaka.

Henintsoa Hani

Partager sur: