FANTINA sy FINTINA

Hametra-pialana anio, eo anivon’ny filanke­vitry ny minisitra, ny governemanta Ntsay Christian. Hanohy ny fampandehanan-draharaha ireo minisitra manomboka izao raha any amin’ny fiandohan’ny taona any kosa vao mety hanova ny governemanta ny filoha.

Tapitra ny 72 ora nomen’ireo raiamandreny ara-drazana ka mbola nanampy 48 ora indray izy ireo. Takin’izy ireo ny hampodiana ny konsily sy ny masoivohon’i Frantsa. Mitohy ny fitakiana hananganana Tete­zamita handaminana ny fanjakana, araka ny namba­ran’izy ireo hatrany.

Tokony hajanona ireo asa mandany vola sy fanaovana tapi-maso fotsiny, araka ny nambaran’ny filohan’ny FTT, Razafinjoelina Tahina, omaly. “Mihoatra ny 5 000 ariary ny euro iray. Tokony homena lanja ny fampiroboroboana ny asa anatiny… Entano hamokatra ny olona”, hoy izy.

Efa nandray ny andraikitra maha filohan’ny Antenimierandoholona azy tetsy Anosikely, ny Jly Ravalomanana Richard. Nisahana ny asan’ny filoham-panjakana mpisolo toerana ny tenany nanomboka ny
27 oktobra hatramin’ny 16 desambra teo.

Partager sur: