Miroborobo fatratra ankehitriny, ny fivoizana ny fiverenana eny an-doharano na ny fiverenana ifotony. Saika tratran’io avokoa ny sehatra iray manontolo, indrindra fa ny kolontsaina sy ny zavakanto. Niharan-javatra maro anefa ireo raha ny tranga hita teto Madagasikara. Noho izany, mila mitandrina fatratra ny Malagasy. Ny fahalalana, ohatra, nozimbazimbain’ny vahiny ka lasa finoana. Ny fady, nivily lalana ka tonga finoanoam-poana. Ireo fomba amam-panao, novingavingaina ka nohalavirina fatratra.
Mba hisorohana ny fiverenana ifotony mankany amin’ny lalana tsy tokony haleha, manana adidy goavana ireo raiamandreny mitana sy mahatazona ny maha Malagasy. Izy ireny no tokony ho fakan-kevitra, hanoro, hampianatra. Fitandremana hafa ihany koa ny amin’io, satria, raha nametraka ny teo aloha fa « ireo antim-panahy » no antsoina hoe « raiamandreny ». Amin’izao fotoana, tanora vao iray ranonorana, efa mitonona sy maka io toerana saropady io.
HaRy Razafindrakoto