Vata fampangatsiahana 3 sy kojakoja miaraka aminy no natolotra tao amin’ny Malagasy Medical Analysis Laboratory na ny laboratoara (LA2M) eny Androhibe. Avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Fond Mondial no nahafahana nanolotra izany. Manampy betsaka amin’ny fitehirizana ireo vaksiny ny fitaovana azo.
Nantitranterin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa manana andraikitra sarobidy ny sampandraharahan’ny fitehirizan-dra etsy amin’ny hopitaly HJRA. Miaro sy mampiasa ara-drariny ny ra sy ny singa avy aminy ireo ekipa ao. Miantoka ny fisian-dra mandavantaona ihany koa izy ireo.
Hisy hetsika fanaovam-baksiny ho fiarovana amin’ireo aretina, indrindra ho an’ny zaza amin’ity herinandro ity, araka ny voalaza nandritra ny fananganan-tsaina teny amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fiandohan’ny herinandro teo.
Antonony ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo amin’izao fotoana izao, raha jerena ny fivoaran’ny tomban’ny toetry ny andro anatin’ny telo andro ho avy, hijanona ho antonony ny kalitaon’ny rivotra, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Fotoana mampihetsika ny aretin’ny taovam-pisefoana samihafa koa izao.