Vita ny lalam-pirenena eo Irondro (sampanana RN 25) mankany Manakara, ny RN12A. Narenina natao godirao tanteraka ity lalana mirefy 118 km ity, taorian’ny rivodoza nitranga tamin’ny fiandohan’ny taona teo. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena no nanaovana azy, ao anatin’ny Tahirimbola ho an’ny asa vonjy taitra. Nisy tetezana mirefy 102 metatra ihany koa efa vita hatrany amin’ny 97%, ary ho vita tanteraka amin’ny janoary 2024. Maharitra sivy volana ny nanaovana ny asa.
Mamaha tanteraka ny lafiny fifamoivoizana ny fahavitan’ny RN 12A. Nilaza ny mpamily fiarabe, mpitatitra entana fa natao tao anatin’ny adiny 6 ny lalana Irondro-Manakara teo aloha, ary efa nihena ho 4 ora izany, ankehitriny.
Mahakasika izay fanamboarana fotodrafitrasa izay ihany, ho vita amin’ny janoary 2024 ihany koa ny tetezan’i Mangoro (PK94+200) any amin’ny lalam-pirenena RN2, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Vita hatrany amin’ny 97% ity tetezana ity, azon’ny fiara ifanenana, mirefy 102 metatra, ary 7 metatra ny sakany, miampy 1,5 metatra ho an’ny mpandeha an-tongotra. Eo koa ny tetezan’Antsapazana, mirefy 30 metatra, efa notokanan’ny filoha Rajoelina tamin’ny 9 septambra 2023 teo. Fanomezana avy amin’ny governemanta japoney izy ireo, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa japoney ho an’ny fampandrosoana (Jica).
Njaka A.