Manomboka miverina tsikelikely sy mihamitombo ny hetsika ao amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely. Efa ahitana ny seho “Slam poèsie” ihany koa eny an-toerana manomboka izao.
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny hetsika “Slam Session”. Seho an-tsehatra karakarain’ny Madagaslam section tana (MST) sy ny avy eo amin’ny Tranomboky monisipaly ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny fiainana amam-bondrona. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra ary maimaimpoana avokoa na ny mijery na ny mandray anjara. Samy manana ny tanjony ireo mpikarakara ao anatin’izao hetsika izao fa ny iraisan’ ny rehetra dia ny fampiroboroboana ny haikanto sy ny kolontsaina, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.
Miray vina ny mpikarakara ny hetsika manatontosa ny “Slam Session”, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely. Sehatra iray hanomezana lanja sy hampiroboroboana ny “Slam poèsie” eto Madagasikara izy ity. Etsy andaniny, anisan’ny mahazo tombony amin’ny hetsika ny vao misandratra eo amin’ny fiantsana “Slam poèsie”. Malalaka sy afaka maneho ny talentany mantsy izy ireo ao anatin’izany. Ankoatra izay, afaka mifandray sy mifanakalo ary mifampizara hevitra amin’ireo matihanina koa izy ireo. Ireo efa matihanina kosa etsy ankilany, afaka manamafy sy mampitombo ny fahaiza-manaony ary mifanakalo sy mizara ny traikefany.
Taorian’ny nisokafan’ny Tranomboky monisipaly, ny volana oktobra 2023, tsy mitsaha-mitombo ny fiaraha-miasan’ity ivontoerana ity amin’ny fikambanana misehatra eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina. Ny Tranomboky monisipaly Analakely izay nampina sy nohatsaraina ny fitaovana ao aminy.
Lin