TARATRY ny KANTO

Nahemotra amin’ny 27 janoary 2024 ny hetsika “Misy mihaino?”. Antony, mikatona manomboka ny 22 desambra ka hatramin’ny 4 janoary 2024 ny Cercle Germano-Malagasy. « Misy mihaino ? », famelomana ampahana tantara fandefa amin’ny Radio, holalaovin’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra, natao ahatsiarovana ireo zoky nampianatra sy nanofana ny Faribolana Sandratra.

Nodimandry i Fleur. Anisan’ireo vehivavy nanana feo kanto teo amin’ny fihirana ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Ny fampiaraham-peo teo aminy sy i Gabhy no tena nahalala azy. Nampihirain’ireo mpamoron-kira andrarezina toa an-dRamaroson Wilson sy William Ratianarivo ihany koa i Fleur. Marihina fa mpirahavavy izy sy Perle izay mpihiran’ny taona 1950 sy 1960 ihany koa.

Alliance française Toliara. Hisy ny atrikasa fampianarana miangaly ny amponga maroanaka, hoentanin’i Pata ao amin’ny tarika Njava. Hotontosaina ny 8 hatramin’ny 11 janoary izao io, natao ho an’ireo efa mahay na vao manomboka mively amponga maroanaka. Tanjona ny fifehezana ity zavamaneno ity, sady hizaran’ity mpanakanto mpisehatra any ivelany ity ny traikefany koa.

« Ilay maha izy anao ». Tanterahina eny amin’ny IKM Antsahavola, manomboka anio, ny varotra fampirantiana « Ny Natiorako : Ilay maha izy anao ». Hetsika karakarain’ny Koj’Art, hanasongadinana ny famoronana eo amin’ny tontolon’ny haingo malagasy. Ho hita mandritra izany ny taovolo sy ny fiankanjo ary ny firavaka.

Partager sur: