Nahoraka manerana an’izao tontolo izao ny fizaram-baovao nataon’ny foiben’ny fiketrahana masina avy any Vatican, omaly alina. Indrindra mahakasika ilay resaka
« fitsofan-drano » ny fanambadiana maningana na tsy mahazatra. Nizarazara be ny hevitra, nihazakazaka ny torapo isan-karazany. Zary mpahay ny tenin’ny soratra masina sy ny teolojia daholo indray Razanakolombelona.
Ho an’ny eto Madagasikara, hita soritra teny amin’ny tambajotran-tserasera ny fahasamihafan-kevitra. Maro ny mihinana am-bolony, tsy namaky sy nanadihady fa nindrana sy nandika fanehoan-kevitry ny hafa befahatany. Misy ny mba namaky saingy samy nandrirotra azy, arakaraka izay nahametimety ny famakafakana nataony. Samy namoaka ny avy any an-dohany sy ny avy any am-pony, nisora-tena ho manampahaizana momba ny Baiboly.
Zava-dehibe, taratry ny haren-tsaina misy eto amin’ny firenena ny fahaizana manaja ny hevitry ny tsirairay.
Tsy tokony hoenti-mandrava ny rafi-piainana sy ny rafi-piarahamonina ny fanovana. Saropady rahateo ny resa-pinoana sy ny antokom-pivavahana. Raha ny tena marina tsy natao hiadian-kevitra. Foto-kevitra sy fironana tahaka ny fironana rehetra ny foto-pinoana ka samy manaraka sy manaja izay maharesy lahatra azy. Tsy manam-pahefana hifampitsaratsara ny samy mpino. Tokony samy hitazona mafy izay ananany. Samy mampiroborobo ny azy.
Ny finoana diso tafahoatra dia mitarika mankany
amin’ny faharavana sy ny fifamotehana. Raha natao ho fanoitra mitondra soa izany, raha napetraka ho arofanina hampilamina fiarahamonina, dia mety hivadika ho fototry ny ady sy fifamotehana. Izany indrindra no mila hitandremana eto Madagasikara. Misy mpitondra fivavahana manararaotra ny toe-javamisy ka mandrangitra sy mivoy fankahalana antokom-pinoana iray. Tsy fiadY hevitra anefa ny resa-pivavahana !
r.r