VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina mandritra ny efatr’andro ny fampiofanana fandrafetana ny drafi-pitantanana “Bu­siness plan”. Resahina mandritra izany ny fampiofanana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera, ny talem-paritra samihafa, ireo mpiompy trondro, ireo Banky sy ny fampindramam-bola madinika mahakasika ny rindrambaiko UTIDA.

Nahazo milina hanodinana voasary makirana ny distrikan’i Manandriana. Nahazo ny anjarany ihany koa ny faritra Amoron’i Mania, ny herinandro teo, rehefa nisitraka izany ny tao amin’ny kaominina Andina-Ambositra. Notsenaina tao Anjomanakona kosa ilay taninketsa indostrialy napetraka tao amin’ny distrikan’i Manandriana.

Natao tany Antsirabe, ny 19 sy 20 desambra teo, ny atrikasa famaranana momba ny Drafitrasa lasitra mahakasika ny fandraharahan’ny tanora eto Madagasikara. Anisan’izany ny namaritana ny paikady hampiroboroboana ny fampananan’asa ny tanora. Natao tamin’ny mey 2022 ny atrikasam-paritra, nanangonana ny hevitra ary izao naravona izao.

Misy fahasimbany ny milina G1 sy G4 any Andekaleka, mamatsy ny tambajotra iraisan’Antana­narivo (RIA). Mitohy ny asa fanamboarana sy ny fikojakojana, ary efa nisy fihenany ny fanapahana ny herinaratra teto an-drenivohitra, omaly tolakandro.

Partager sur: