Nisitraka vary 2 gony ireo olona manana fahasembanana ao amin’ny Akany Fitiavana, etsy Faliarivo Ambanidia, ao amin’ny boriborintany faharoa, omaly. Nanolotra izany ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mitaiza olona sembana sy zaza kamboty ny akany. Lehilahy 12 sy vehivavy 10, anelanelan’ny 14 hatramin’ny 54 taona izy ireo. “Fanomezana avy amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina”, ny tolotra, raha ny fanazavan’ny delege eo anivon’ny boriborintany faharoa. Tanjon’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo amin’izao andron’ny Noely izao ny mba hiara-kifaly amin’ny rehetra ka antony nanirahany ny eo anivon’ny boriborintany faharoa nanolotra ny fanomezana. Nohamafisiny hatrany fa hetahetam-pon’ireo olona eo anivon’ny akany ny mba hanaovana ny tolotra ho sakafo.
Efa niompana tamin’ny resaka sosialy, amin’ny alalan’ny fanampiana ireo olona marefo, nanomboka ny taona 2022, ny boriborintany. Anisan’izany ny sembana, mpanasa lamba, beantitra, tsy an’asa…. Marihina fa manodidina ny 70% amin’ny mponina ao amin’io boriborintany io no tena sahirana ara-pivelomana, raha ny filazan’ny eo anivon’ny fokontany. Mbola mitohy hatrany ny ezaka ara-tsosialy toy izao, raha ny fanazavana hatrany.
Mino