Ambodifotatra- Sainte Marie : mitohy ny dingana fampidirana ho harembakoka ny eglizy

Fiangonana voalohany teto Madagasikara. Efa harembako-pirenena ary hangatahana ho harembakoka maneran-tanin’ny Unesco ny Eglizy katolika ao Ambodifotatra, Sainte Marie.

Tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’i Madagasikara. Ny Eglizy Katolika ao Ambodifotatra, any amin’ny Nosy Sainte Marie no trano fiangonana naorina voalohany teto Madagasikara. Vako-pirenena izy io, araka ny didim-panjakana laharana faha 83-170, ny 17 Mai 1983. Anisan’ ireo nangatahin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina hampidirina ho anisan’ireo harembakoka maneran-tany eo anivon’ny Unesco koa izy ity. Maromaro ireo dingana efa tontosa, kanefa mbola misy koa ireo miandry vao tonga amin’izany.
Anisan’ny dingana iray ta­kina ny fakan-kevitra amin’ny daholobe eny ifotony. To
ntosa ny talata teo izany, tao amin’ny trano fiangonana. Nampiantso ireo rehetra voakasika tany an-toerana ny solontenan’ny minisitera, notarihin’ny talen’ ny kabinetra, ny tale jeneralin’ ny kolontsaina ary ireo teknisianina momba ny vakoka. Nanatrika izany koa ny sekretera jeneralin’ny voamieram-pirenena eo anivon’ny Unesco eto Mada­gasikara. Maro ny hevitra nivoaka, izay naravina ho iray ka vinavinaina ho amin’ ny faran’ny taona 2024 no hamaranana ny antontan-taratasy, ahafahana miroso amin’ny fampidirana ny tetikasa eo anivon’ny foiben’ny Unesco .
Tsiahivina fa nasiam-panavaozana ny Eglizin’Ambodi­fo­tatra, nanomboka ny taona 2021. Notazonina avokoa an­efa ny rafitry ny taotrano sy ireo fitaovana nanamboarana ny pitsompitsony rehetra, in­drindra ny akora nanaovana ny ôtely. Nisy ireo teknisianina avy amin’ny “International Council of Monuments and Sites” nijery ny Fiangonana, ny volana marsa 2022, ka nanao ny fanadihadiana mialoha, nijerena raha manana ilay antsoina hoe «Valeur Universelle Exceptionnelle» ahafahana mampiditra azy ao anaty lisitra.
Nihaona tamin’ny tale misahana ny harembakoka iraisam-pirenena eo anivon’ny Unesco ny minisitry ny Se­ra­sera sy ny kolontsaina tamin’ izany fotoana, Rakotondrazafy Lalatiana, ny volana jona lasa teo. Nidinika momba ny tohin’ ireo dingana holalovana izy ireo, nandritra izany. Ny 15 jolay kosa no niverina nisokatra taorian’ny asa fanavoazana, ka nandray ny lamesa voalohany ny Eglizy. Tonga nanatrika sy nitokana izany ny filohan’ny Repoblika, izay nanamarika ny maha zava-dehibe ity harembakoka mitahiry am­pahany amin’ny tantaran’i Madagasikara ity, ka mendrika ny ho harembakoka iraisam-pirenena ihany koa.

Zo ny Aina

Partager sur: