Nametraka lamina manokana ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo handrindrana ny fifamoivoizana eny Antaninarenina sy ny manodidina mba hampizotra tsara ny fijeren’ny mponina ny jiro ravaky ny tanàna eny an-toerana.
Hisy ny lalana tapaka manomboka amin’ny 5 ora hariva, nanomboka omaly ka hatramin’ny alatsinainy 01 janoary 2024. Ho tapaka ny lalana eo amin’ny CSI Antaninarenina sy ny manelanelana ny minisiteran’ny Vola sy ny manoloana ny Hotel Le Louvre, ny manandrify ny Paositra malagasy sy ny Buffet du Jardin.
Misokatra ho an’ny fivoahan’ny fiara, raha hihazo an’Antaninarenina ny parking Roxy, BMOI ary manohy ny lalana mahazatra (Colbert/ Metropole).
Etsy andaniny, nanentana ny fiara sy ny kodiaran-droa ny CUA mba hitandrina sy hahatomombana ny taratasy rehetra vao mivoaka ny trano.
Tatiana A