Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Centre de ressources des arts actuels de Madagascar (Craam ), Ankatso, omaly, ny fampirantiana «Harmony of Chaos». Ny haikanto an-tanàn-dehibe no hiranty eny an-toerana mandritra ny fotoana rehetra, ary ny We Art no haneho ny haikantony mandritra izany. Ny “Harmony of Chaos” izay tsy hifarana raha tsy ny 30 janoary 2023.
Mpahay kanto maneho ny haikantony amin’ny alalan’ny hazo, rindrina, lamba ary baoritra no tena ahafantarana an’i A. J sy O. R, izay mandrafitra ny We Art. Ny fiainana andavanandron’ny Malagasy, na inona na inona maha izy sy mampiavaka azy, no hasehon’izy ireo. Tanjon’ny fampirantiana ny hampahatonga saina ny olona tsirairay avy manoloana ny zava-misy iainana. “Misy ny fahaterahana indray aorian’ny korontana rehetra”, hoy i A.J.
Tsiahivina fa fampirantiana voalohany ho an’ny We Art, ahitana an’i A.J sy O.R miaraka ity atao eny amin’ny Craam ity. Izy ireo izay efa ny taona 2020 no nahita ny fitovian’ny tandin-dokanga teo amin’izy ireo, nandritra ny hetsika momba ny Haikanto an-tanàn-dehibe.
Lin