Nivaly ny ezaka natao tamin’ny lafiny fambolen-kazo, ho an’ny taona 2023, satria nihoatra ny tanjona napetraka ny velaran-tany voavoly. Misitraka ny vola azo avy amin’ny tsena karbôna ihany koa i Madagasikara.
Nahomby ny taom-pambolen-kazo 2023. Nitombo 104% ny zana-kazo voavoly, nihoatra tamin’ ny taona 2022. Niisa 128 091 650 ny zana-kazo nambolena tamin’ity taona 2023 ity, tamina velaran-tany mirefy 78 000 ha raha 75 000 ha ny vinavina. Naniry tsara daholo ny 75,41%-n’ireo zana-kazo nambolena. Nankasitraka ireo fahombiazana ireo ny minisitry ny Tontolo iainana, Rtoa Vina Marie-Orléa, omaly.
Tanteraka ireo vokatry ny ezaka sy ny lamina matipaika napetraky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Miisa 23 ny tanin-janakazo midadasika natsangana manerana ny faritra eto Madagasikara, ahitana karazan-kazo samihafa maherin’ny 1 tapitrisa. Niteraka asa ho an’ny vehivavy sy ny tanora, ho fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fampandrosoana.
Nambaran-dRtoa minisitra, fa «endrika fanehoana ny finiavana hiarovana ny tontolo iainana sy ny mampiavaka antsika izao. Nahomby isika, noho ny ezaka sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra».
Tsena karbôna
Anisan’ny fahombiazana tamin’ity taona ity koa ny nahazoana ny vola 8,8 tapitrisa dolara azo avy amin’ny tsena karbôna, ao anatin’ny tetikasa PREE-AA. Vokatra azo avy amin’ny ezaka natao nandritra ny telo taona, izay nankasitrahan’ny Banky iraisam-pirenena. «Porofo manambara fa nivaly ny ezaka niarovana ny ala eto amintsika», hoy ihany Rtoa Vina Marie-Orléa.
Dingana lehibe ny fidiran’i Madagasikara ao anatin’ny tsena karbôna, ahafahan’ny sehatra tsy miankina mandray anjara amin’ny fampiharana ny toekarena maitso sy maharitra. Ao anatin’izany ny fambolen-kazo indostrialy sy ny fomba fiasa maharitra.
Vina ho an’ny ho avy napetraky ny minisitera, ny hamboly hazo amina velaran-tany 90 000 ha amin’ny taona 2024, ka hatokana ho an’ny hazo indostrialy ny 15 000 ha.
Njaka Andriantefiarinesy