Fampiroboroboana ny fizahantany : manamafy ny fahaizana miserasera

Hanampy sy hanome tan­tsoroka an’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fizahantany, izay no tanjona apetraky ny agence Tropi’Com, nandritra ny fanolorana azy tetsy Andraharo, omaly. Hanampy amin’ny lafiny serasera sy fampahafantarana ny tolotra sy ny mampiavaka ny mpian­tsehatra samihafa ny tsanganasa (agence). “Manan-karena i Madagasikara izay tokony haseho an’izao tontolo izao, izay indrinda no antom-pisianay, hanampy ireo mpiantsehatra hampiseho ny mampiavaka ny Nosy”, hoy ny fanazavan’ny mpamorona ny agence Tropi’Com, Andriamiarintsoa Josceline. Hiompana amin’ny fampiasana ireo paikadin-tserasera ny asa atao ka tafiditra ao anatin’izany ny tontolon’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra ary ny tambajotran-tserasera. Ankoatra izay, mampiofana ireo matihanina amin’ny fizahantany mahakasika ny serasera ihany koa ny tsanganasa.

Fandrosoana
Antoky ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatry ny fizahantany. Tanjon’ny fitondram-panjakana rahateo ny hanatrarana 1 tapitrisa mpizahatany ho an’ny taona 2028. Hanampy hahatongavana amin’izany ny Tropi’Com amin’ny alalan’ny tolotra samihafa omena sy torohevitra hampiroboroboana ny fahaiza-ma­na­on’ireo mpisehatra fa indrindra hisarihina ny mpizahatany hi­tsidika sy hahafantatra ny hakanton’i Madaga­sikara.

Henintsoa Hani

Partager sur: