Mbola maro ny olona tsy salama manatona toeram-pitsaboana amin’izao fotoana izao voan’ny gripa, kohoka sy itrangan’ny aretin’ny taovam-pisefoana (IRA). Ratsy koa ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo ka mampirongatra ny aretina. Ny fako rahateo mivangongo isaky ny toby ka miteraka fofona sy lalitra be mitondra otrikaretina.
Misy ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana efa niditra amin’ny fialantsasatry ny noely satria tsy nanapaka mihitsy hatramin’ny fotoam-pidirana amin’ny taom-pianarana. Maro ireo nanomana fety hanamarihina ny krismasy any an-tsekoly sady mizara kilalao sy vatomamy.
Nankasitrahana manokana ireo CSB mendrika tamin’ny fifaninanana 5S tao Taolagnaro. Teknika japoney mitondra amin’ny fandaminana ny toeram-piasana sy fomba fiasa ny 5S. Anisan’ny nahitana vokatra tsara ny CSB2 Ankaramena, CSB2 Andranobory ary ny ao Ifarantsa. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Doctor’s for Madagascar nahatontosana izany.
Vita ny hetsika lakozia mitety sekoly andiany faharoa. Mpianatra avy amin’ny sekoly miahy tena sy ny EPP Faravohitra no nandray anjara tamin’izany. Tanjona ny fampandraisana anjara ireo ankizy sy tanora hitahiry ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny tsikonina. Ny faritra Analamanga sy Atsinanana no nanatanterahana ny hetsika.