Raha misy firenena fadiranovana indrindra eto ambonin’ny tany dia i Madagasikara. Mazava be ny tatitry ny fikambanana iraisam-pirenena fa dimy voalohany avy any amin’ny farany isika. Tsy atao mahamenatra izany. Tsy natao handemen-tsaina sy ahakivy ihany koa. Tokony ho fanoitra sy angady hoenti-miady ho an’ny fampandrosoana. Ilay mpanetsika hambom-po.
Tsy tongatonga hoazy ny fahantrana lalina fa niankina tamin-javatra maro. Tompon’antoka amin’ny tsy fahombiazana ny Malagasy tsivakivolo. Marina misy ampahan’andraikitra goavana avy amin’ny mpitantana. Tomponandraikitra voalohany ireo nomem-pahefana hitarika sy hanome ohatra tsara ny vahoaka entiny. Misy lesoka sy tsy fahaiza-mitantana ao, izay lasa rangory fototry ny afo. Io mibaribary toa vay an-kandrina ny kolikoly sy ny fanaovana kely tsy mba mamindro hany ka mivadika ho sakana tsy ahafahana mivelatra sy mamokatra.
Tsy afa-miala anefa, na izany aza, ny sarambabem-bahoaka. Sodokan’ny mpitari-bato vilam-bava ka mijabajabaka koa any amin’ny fanaovan-dratsy. Mifanipaka an-toerana toa valala an-karona. Zary laharam-pahamehana ny fifampitsetsefana sy ny fitadiavana hirika hamotehana ny hafa. Zotra tokana no ironan’ny besinimaro dia ny fifanimbana sy fifamotehana. Ny fifaminganana sy ny fifamonoana mivantana na ankolaka no zary filamatra.
Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra ilay izy. Ilay fomba fisainana no efa lo sy simba ka ilana fifohazana faobe. Variana amin-draha tsy manjary Ramalagasy, ka manadino ny tena votoatin’adiny. Natao ambanin-javatra ilay hasina sy fanahy maha olombelona ka mitotongana any amin’ny fahantrana lalina.
Tsy vitan’ny fitsetserana sy resaka ambony vahahady anefa ny fialana amin’izany. Mila miara-mifoha fa tsy manao jamba mifampitantana.
r.r