Nanomboka omaly 20 desambra ka hifarana ny 2 janoary 2024. Manolotra fety sy fialamboly lehibe ho an’ny rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely (Parvis), hahazo laka ny ankizy, mandritra ireo andro maro ireo. Tazana eny an-toerana ny «manèges», «gonflable», «cabane du père noël», fandefasana ireo hiran’ny Noely, sns. Hisy fiara telo lehibe (Street food, Boba bee, Art Home) ahitana fivarotana sakafo. Hikatona kosa ny «parvis aorian’ny amin’ny 5 ora hariva».
Alahady 24 desambra, «Concert gospel» hotontosaina eo amin’ny Arcade manoloana ny Naza sy ny Air Madagascar. Amin’ny 8 ora sy sasany, efa afaka maka toerana ny rehetra. Hanomboka amin’ny 6 ora hariva kosa ny kaonseritra. Ny zoma 22 desambra sy ny sabotsy 23 desambra ary ny zoma 29 desambra sy ny sabotsy 30 desambra hianohan’ny rehetra an’ilay hetsika «Takarivan’ Iarivo». Tsy hisy kosa izy io ny alahady 24 desambra sy ny alatsinainy 25 desambra ary ny alahady 31 desambra sy ny alatsinainy 1 janoary 2024. Tsy hiova ny toerana fa ny nahazatra hatramin’izay: eo anoloan’ny fivarotam-boky St Paul sy Conforama ary Casino.
HaRy Razafindrakoto