«Pro League 2024»: hanomboka ny 4 febroary ny fifaninanana

Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Association des clubs de foot-ball élite de Madagascar (CFEM), omaly alarobia, fa hanomboka ny 4 febroary ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny diviziona 1, «Pro League», taom-pilalaovana 2024. Nohamafisin’ity mpitantana ny fikambanana misahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity, fa taorian’ny fivorian’ny mpikambana ao amin’ny CFEM, notapahina fa hatao ny 4 sy ny 5 febroary 2024 ny andro voalohany amin’izany fifaninanam-pirenena izany. Tsy mbola nolazainy kosa ireo kianja hanatontosana izany. Araka ny tsilian-tsofina, mbola vao eo am-piresahana amin’ireo tomponandraikitry ny kianja isanisany ny tenany, amin’izao fotoana izao.
Ankoatra izay, eo am-piandrasana ihany koa ny ho isan’ireo ekipa afaka handray anjara amin’ity «Pro League 2024» ity ny rehetra. Raha ny fanambaran’ity filohan’ny CFEM ity mantsy mety hakarina ho 18 izany raha toa ka 16 tamin’ny taom-pilalaovana 2023.

Tompondaka

Partager sur: