Hotanterahina ny alahady 24 desambra ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao ampahefa-dalana hiadina ny ho tompondakan’ny seksiona Marovatana. Ho an’ny D2, hifampitana ny Zaami Ankasina sy ny FTFA Antsahamasina. Ho an’ny D1 Elite 2, FCA Analamanga sy ny XV Ovale Amberovatsy ary ny an’ny HTMA Anosivavaka sy ny 3FM Ambohidratrimo.
Miandry ny fizarana ny amboara ho an’ireo mpandresy isan-tsokajy, tamin’ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny taranja familiana fiarakodia ny rehetra amin’izao fotoana. Eo ihany koa no hahalalana izay ho tompondakan’i Madagasikara 2023 sy ny ho fandaharam-potoana ho an’ny taom-pilalaovana 2024.
Hotanterahina ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifandonana voalohany amin’ny Diamanga vaovao, taranja Kenpo sy MMA. Fifaninanana hatao ny 30 desambra izao, ahitana fampisehoana ny ady nentim-paharazana Diamanga, Self défense ary ny Moring rénionais.
37 mianadahy no voatsonga ho anisan’ny hofantenana ho ekipa nasionaly, taranja karate, taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara farany teo, tany Toamasina. Ho an’ny sokajy Cadet sy Junior ary ny Kata ireto namoahana lisitra ireto ary hiatrika fampivondronana tsy ho ela.