TARATRY ny KANTO

Feno 20 taona ny Piment Café Behoririka. Toy ny isan-taona, hankalazaina manomboka ny zoma alohan’ny Krismasy ny tsingerin-taonan’ity toeram-pialamboly ity. Hanokatra ny fotoana ny “Revy Samöela ranoiray”, ny zoma izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Efa zatra ny toerana nandritra ny taona maro na ny mpanakanto na ireo mpankafy azy.
Hifarana rahampitso ny fampirantiana «Street Photography», eny amin’ny CGM Analakely. Hetsika ampirantian’ireo mpaka saripika, matihanina mivondrona ao anatin’ny Photo Club CGM ny sarin’izy ireo maneho ny fiainana andavanandron’ny mpiray tanindrazana aminy.
Nisokatra nanomboka, omaly hatramin’ny 23 desambra 2023, eny amin’ny Zaridainan’An­ta­ni­narenina, ny hetsika “Kanton’i Gasikara Manandratra ny vita malagasy”. Ho hita, mandritra izany, ireo haify sy haihaingo ary fiakanjo malagasy.
Fanatontosana haingo maro samihafa,
amin’ny alalan’ny fanenomana lamba indray no natolotry ny Fondation H ho an’ireo mpanaraka ny “Atrikasa Hay”, omaly. Ankoatra izay, mbola mitohy ny fampirantiana hampahafantarana ny mpanjaka nanana ny maha izy azy teto amintsika nefa tsy voarakitra an-tantara.

Partager sur: