Natolotra ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ireo mpianaka voarohirohy ho nanao asa fisolokiana. Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo. Nikasa hifampiraharaha tamin’ny polisy izy ireo ho famotsorana, hanao kolikoly, saingy tsy nanaiky izany ny polisy.
Saron’ny polisin’ny Fip teny 67 ha ny jiolahy iray niaraka tamin’ny basy vita gasy, afakomaly. Nisy nahatsikaritra izy sy ny namany mihaodihaody eny 67 ha. Tafaporitsaka ireo namany raha vantany vao nahita ireo polisy manao fisafoana. Hita teny aminy, nandritra ny fisavana, ny basy iray sy big boss ary finday roa.
Tratran’ny zandary ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny dispensairen’Andohanilakaka (Salfa), ny 12 desambra 2023 teo. Roa andro taorian’ny fanafihana no nanomboka ny fisamborana nataon’ny zandary. Dahalo efatra indray tratra niaraka tamin’ny basy.
Raim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony ao amin’ny fokontany Ampandrianosy, Antalaha, afakomaly. Teo am-pandriana nihosin-dra no nahitana azy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Nokendaina tamin’ny tady sady noratraina tamin’ny zava-maranitra. Efa nomena ny fianakaviana ny razana.
Navelan’ireo dahalo roa lahy ny omby dimy nangalarin’izy ireo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Sakoamadinika, omaly. Avy nangalarin’izy roa lahy tao Amboditsakoana Ambalafaito, fokontany Ambinany, Tsaratanana, ireo omby ireo. Naiditra am-balam-pamonjana ireo omby miandry ny tompony.