VAOVAO TAMBATRA

Tratra nangalatra jiro sy rano ny tokantrano iray eny Ambohitrimanjaka. Manentana ny rehetra ny Jirama hiantso amin’ny laharana maitso (maimaimpoana) 547, na koa manatona mivantana ny masoivoho raha mahita tranga toy izany. Mijanona ho tsiambaratelo ny momba ny mpanome vaovao.

Hiverina hisokatra ny sabotsy izao ny zotran-dalamby FCE, mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara, rehefa niato nandritra ny volana vitsy. Ha­na­mora ny fitaterana vokatra sy entana amin’ireo faritra roa ireo ny zotra ary handalo amina gara 17, tetezana 75 ary tunnels 48. Hamelona ny toekarena any an-toerana izao fiverenan’ny FCE izao.

Manara-maso akaiky sy midina eny amin’ny tsena samihafa eto an-drenivohitra sy ny manodidina ireo kaomiseran’ny varotra sy ny fifaninanana. Jerena manokana ny entana toy ny vatomamy, sokola ary ny sakafo anaty fonosana izay be mpanjifa amin’ izao ankatoky ny fety izao. Hitohy any amin’ny faritra ihany koa ny hetsika.

Notolorana ny mariboninahitra Chevalier de l’ordre national Malagasy, ny tale miandraikitra ny asan’ny Fandaharanasa iraisam-pirenena (Pam) eto amintsika, Rtoa Pasqualina Di Sirio. Natao izao noho ny asa vitany teto Madagasikara, tato anatin’ny 2 taona.

Partager sur: